Bokin'i Isaia 44:9
Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory?
Cross References
Deuteronomy 4:28Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan’ ny tànan’ olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.
Judges 10:14Mandehana, ka mitaraina amin’ ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin’ ny andron’ ny fahantranareo.
Psalms 97:7Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin’ ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan’ i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.
Psalms 115:8Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Isaiah 2:20Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
Isaiah 41:24Indro, ianareo dia naman’ ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman’ ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.