Bokin'i Isaia 45:2
Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 107:16Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
Isaiah 13:4Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an’ ny vahoaka be! Dia ny fitabataban’ ny fanjakan’ ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon’ ny maro, no manomana miaramila hiady,
Isaiah 42:16Hitarika ny jamba amin’ izay lalana tsy fantany Aho; ary amin’ ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
Daniel 8:4Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe.
Luke 3:5Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;