Bokin'i Isaia 45:23
Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin’ ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan’ ny lohalika rehetra, sy hianianan’ ny lela rehetra hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 22:16ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
Numbers 23:19Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’ olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
2 Chronicles 15:14Ary nianiana ho an’ i Jehovah tamin’ ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin’ ny trompetra sy ny anjomara izy.
Psalms 63:11Hatolotra ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy; ho anjaran’ ny amboahaolo izy.
Psalms 132:2Dia ilay nianiana tamin’ i Jehovah Sy nivoady tamin’ ny Maherin’ i Jakoba hoe:
Isaiah 21:17Ary ny tsipìka sisa izay; an’ ny lehilahy mahery, taranak’ i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.