Bokin'i Isaia 46:1
Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin’ ireo biby reraka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 12:12Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’ izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
Job 39:11Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
Isaiah 21:9Koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’ ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ ny tany.
Jeremiah 10:5Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.
Jeremiah 48:7Fa noho ny nitokianao tamin’ ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
Jeremiah 51:44Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan’ i Babylona dia hirodana.