Bokin'i Isaia 46:4
Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 48:14Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby.
Psalms 71:18Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’ izay rehetra mbola ho avy.
Psalms 102:26Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ ny tananao ny lanitra.
Isaiah 43:13Eny, hatramin’ izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?
Malachi 2:16Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin’ ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.
Romans 11:29Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’ Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.