Bokin'i Isaia 46:6
Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin’ ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 32:2Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin’ ny sofin’ ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
Exodus 32:8Nalaky nivily niala tamin’ ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely an-idina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
Judges 17:4Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon’ i Mika izany.
Psalms 115:7Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
Isaiah 40:19Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
Isaiah 44:12Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin’ ny arina izy ary manamboatra azy amin’ ny tantanana sy miasa azy amin’ ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.