Bokin'i Isaia 46:7
Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin’ ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin’ ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ ny fahoriany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina.
Cross References
Judges 10:12Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin’ ny tànany.
1 Samuel 5:3Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah; dia narenin’ ny olona izy ka napetrany teo amin’ ny fitoerany indray.
1 Kings 18:29Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
Isaiah 37:38Ary raha niankohoka tao an-tranon’ i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain’ i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin’ ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
Isaiah 45:20Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’ izay andriamanitra tsy mahavonjy.
Jeremiah 2:28Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin’ ny andro fahorianao fa araka ny isan’ ny tanànanao, ry Joda, no isan’ ny andriamanitrao.