The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 47 › Bokin'i Isaia 47:11

Bokin'i Isaia 47:11

Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Therefore shall evil come upon thee; thou shalt not know from whence it riseth: and mischief shall fall upon thee; thou shalt not be able to put if off: and desolation shall come upon thee suddenly, which thou shalt not know.

In Context

10Fa nitoky tamin’ ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.

12Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.

Read all of Bokin'i Isaia 47

Cross References

Nehemiah 4:11Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin’ ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray.

Isaiah 37:36Dia avy Ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.

Daniel 5:25Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina.

Matthew 18:34Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.

1 Thessalonians 5:3Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.

Revelation 18:9Ary ny mpanjakan’ ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin’ ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 47:11

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 47:10Bokin'i Isaia 47Bokin'i Isaia 47:12 →