Bokin'i Isaia 47:12
Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 8:7Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin’ ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy.
Exodus 9:11Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan’ i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin’ ny Egyptiana rehetra.
Isaiah 8:19Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ ny olona saina? Fa hila saina amin’ ny maty ho an’ ny velona va izy?
Isaiah 44:25Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
Jeremiah 2:28Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin’ ny andro fahorianao fa araka ny isan’ ny tanànanao, ry Joda, no isan’ ny andriamanitrao.
Daniel 2:11Ary sarotra ny zavatra anontanian’ ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan’ ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin’ ny nofo.