Bokin'i Isaia 47:2
Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr’ akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.
Cross References
Exodus 11:5dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny matoan’ i Farao izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny matoan’ ny ankizivaviny izay eo anilan’ ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
1 Chronicles 19:4Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
Isaiah 3:17Noho izany dia hataon’ ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan’ ny zanakavavin’ i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
Isaiah 32:11Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
Jeremiah 13:26Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr’ akanjonao ho eny amin’ ny tavanao, mba hisehoan’ ny henatrao.
Lamentations 5:13Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.