Bokin'i Isaia 47:3
Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ny anaran’ ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Iray Masin’ ny Isiraely.
Cross References
Deuteronomy 32:41Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain’ ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.
Psalms 137:8Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.
Isaiah 34:1Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
Isaiah 59:17Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
Jeremiah 13:22Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben’ ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr’ akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao.
Jeremiah 50:27Vonoy ireo ombilahy rehetra, ary aoka hidina ho any amin’ ny famonoana izy. Mahita loza izy, fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamaliana azy.