Bokin'i Isaia 47:4
Ny anaran’ ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Iray Masin’ ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
As for our redeemer, the LORD of hosts is his name, the Holy One of Israel.
In Context
3Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.
Cross References
Isaiah 41:14Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao.
Isaiah 43:14Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin’ ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin’ ny sambo izay efa nifaliany.
Isaiah 44:6Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Isaiah 51:15Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarako.
Jeremiah 31:11Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin’ ny tanan’ ny mahery noho izy.