Bokin'i Isaia 47:5
Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin’ ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin’ ny fanjakana intsony ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ny anaran’ ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Iray Masin’ ny Isiraely.
Cross References
1 Samuel 2:9Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin’ ny maizina; fa tsy amin’ ny hery no handresen’ ny olona.
Psalms 46:10Mampitsahatra ady hatramin’ ny faran’ ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ ny afo.
Isaiah 13:19Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan’ ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora;
Isaiah 14:23Ary hataoko fonenan’ ny sokina sy fihandronan’ ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isaiah 47:7Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
Jeremiah 25:10Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina, ny feon’ ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ ny jiro.