Bokin'i Isaia 47:9
Kanjo hanjo anao tampoka amin’ ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan’ anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ruth 1:20Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon’ ny Tsitoha amiko.
Isaiah 13:18Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran’ ny masony.
Isaiah 47:12Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
Jeremiah 51:29Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin’ i Babylona ny fikasan’ i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
Daniel 2:2Dia nasain’ ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin’ ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan’ ny mpanjaka.
Daniel 5:7Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’ ny olon-kendrin’ i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana izy.