Bokin'i Isaia 48:12
Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Hearken unto me, O Jacob and Israel, my called; I am he; I am the first, I also am the last.
In Context
Cross References
Deuteronomy 32:39Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin’ ny tanako.
Proverbs 8:32Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
Isaiah 41:4Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin’ ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin’ ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
Isaiah 44:1Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;
Isaiah 46:3Mihainoa Ahy, ry taranak’ i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
Isaiah 51:1Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an’ i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.