Bokin'i Isaia 48:17
Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ ny lalana tokony halehanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 3:4(kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
Job 22:21Mifankazara amin’ ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ ny soa aminao.
Psalms 25:8Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
Psalms 32:8Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
Psalms 73:24Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ ny voninahitra aho.
Isaiah 30:20Ary homen’ ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;