Bokin'i Isaia 48:19
Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 22:17dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ ny fahavalony;
Joshua 7:9Ary ho ren’ ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
1 Kings 9:7dia hofongorako tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra;
Psalms 109:13Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin’ ny taranaka mandimby ny anarany.
Isaiah 10:22Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
Isaiah 48:9Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.