Bokin'i Isaia 48:2
Fa milaza ny tenany ho avy amin’ ny tanana masìna izy ka miankina amin’ Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 17:13Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.
Nehemiah 11:1Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masìna, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.
Psalms 48:1Tonon-kira. Salamo nataon’ ny Koraïta.
Isaiah 10:20Ary amin’ izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin’ ny taranak’ i Jakoba, dia tsy hiankina amin’ izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin’ ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
Isaiah 51:13ka manadino an’ i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran’ ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran’ ny mpampahory?
Isaiah 52:1Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masìna; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.