Bokin'i Isaia 48:4
Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Because I knew that thou art obstinate, and thy neck is an iron sinew, and thy brow brass;
In Context
Cross References
Exodus 9:7Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
Exodus 33:3dia ho amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.
Deuteronomy 10:16Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
2 Kings 17:14Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an’ i Jehovah Andriamaniny.
2 Chronicles 36:13Ary nikomy tamin’ i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’ Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin’ Andriamanitry ny Isiraely.
Nehemiah 9:28Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan’ ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben’ ny fiantranao.