Bokin'i Isaia 49:1
Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’ ineny no efa nankalazainy ny anarako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 7:14Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’ anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.
Isaiah 41:1Mangìna hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin’ ny fitsarana.
Isaiah 42:12Aoka hanome voninahitra an’ i Jehovah izy Ary hitory ny fiderana Azy any amin’ ny nosy.
Isaiah 44:24Izao no lazain’ i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
Isaiah 46:3Mihainoa Ahy, ry taranak’ i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
Isaiah 51:5Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain’ ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.