Bokin'i Isaia 49:18
Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon’ ny ampakarina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
Cross References
Genesis 13:14Ary Jehovah niteny tamin’ i Abrama taorian’ ny nisarahan’ i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin’ ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
Proverbs 17:6Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
Isaiah 45:23Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin’ ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan’ ny lohalika rehetra, sy hianianan’ ny lela rehetra hoe:
Isaiah 49:22Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin’ ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin’ ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.
Isaiah 54:1Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
Isaiah 54:9Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon’ i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’ i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.