Bokin'i Isaia 5:1
Aoka aho hihira ny amin’ ny Malalako, dia hiran’ ny Malalako ny amin’ ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 8:7Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ ny lohasaha sy ny tendrombohitra,
Deuteronomy 31:19Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak’ Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Psalms 45:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon’ ny Koraïta. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana.
Psalms 101:1Salamo nataon’ i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.
Song of Solomon 5:2Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon’ ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton’ ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan’ ny andon’ ny alina.
Song of Solomon 6:3An’ ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin’ ny lilia.