The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 5 › Bokin'i Isaia 5:25

Bokin'i Isaia 5:25

Koa izany no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin’ ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Therefore is the anger of the LORD kindled against his people, and he hath stretched forth his hand against them, and hath smitten them: and the hills did tremble, and their carcases were torn in the midst of the streets. For all this his anger is not turned away, but his hand is stretched out still.

In Context

24Koa toy ny fandevonan’ ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan’ ny fakany sy hijofoan’ ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn’ i Jehovah, Tompon’ ny maro izy Sy nanamavo ny tenin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.

26Ary hanangana faneva ho amin’ ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran’ ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo;

Read all of Bokin'i Isaia 5

Cross References

Leviticus 26:14Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,

Leviticus 26:21Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo.

Deuteronomy 31:18Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin’ izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.

1 Kings 14:11Koa izay tamingan’ i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.

1 Kings 21:24Izay tamingan’ i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin’ ny voro-manidina.

2 Kings 13:3Ary ny fahatezeran’ i Jehovah nirehitra tamin’ ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, sy teo an-tanan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, mandrakariva izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 5:25

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 5:24Bokin'i Isaia 5Bokin'i Isaia 5:26 →