Bokin'i Isaia 5:26
Ary hanangana faneva ho amin’ ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran’ ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 72:8Ary hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy, ary hatramin’ ny ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.
Isaiah 10:3Ary ahoana no hataonareo amin’ ny andro famaliana sy amin’ ny fandravana izay avy amin’ ny lavitra? Ho any amin’ iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
Isaiah 13:2Manangàna faneva eo an-tampon’ izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin’ ny vavahadin’ ireo mpanapaka.
Isaiah 18:3Ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin’ ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
Isaiah 39:3Dia nankany amin’ i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
Jeremiah 5:15Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.