Bokin'i Isaia 5:4
Inona moa no mbola azo natao tamin’ ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 37:22Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin’ ny volamena tsara izy rehetra.
Isaiah 1:5Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
Jeremiah 2:30Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.
Ezekiel 24:13Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin’ ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.
Micah 6:3Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
Acts 7:51Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masìna mandrakariva; tahaka ny nataon’ ny razanareo ihany no ataonareo koa.