The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 5 › Bokin'i Isaia 5:8

Bokin'i Isaia 5:8

Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin’ ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran’ ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin’ ny tany ianareo!

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Woe unto them that join house to house, that lay field to field, till there be no place, that they may be placed alone in the midst of the earth!

In Context

7Fa ny taranak’ i Isiraely no tanim-boalobok’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ary ny lehilahy amin’ ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.

9Izao no ren’ ny sofiko avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.

Read all of Bokin'i Isaia 5

Cross References

1 Kings 21:16Ary rehefa ren’ i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin’ ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy.

Proverbs 15:27Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.

Ezekiel 11:15Ry zanak’ olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak’ Isiraely rehetra, izay nitenenan’ ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an’ i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.

Micah 2:1Lozan’ izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.

Habakkuk 2:6Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan’ izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka

Matthew 23:13Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 5:8

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 5:7Bokin'i Isaia 5Bokin'i Isaia 5:9 →