The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 50 › Bokin'i Isaia 50:10

Bokin'i Isaia 50:10

Iza aminareo no matahotra an’ i Jehovah ka mihaino ny feon’ ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran’ i Jehovah sy hiankina amin’ Andriamaniny.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Who is among you that feareth the LORD, that obeyeth the voice of his servant, that walketh in darkness, and hath no light? let him trust in the name of the LORD, and stay upon his God.

In Context

9Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin’ ny kalalao izy.

11He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’ afo manodidina anareo, mandehana amin’ ny lelafonareo sy amin’ ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin’ ny tanako: Handry amin’ ny fahoriana ianareo.

Read all of Bokin'i Isaia 50

Cross References

1 Samuel 30:6Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin’ i Jehovah Andriamaniny.

1 Chronicles 5:20Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’ izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.

2 Chronicles 20:20Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr’ i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.

Job 23:8Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;

Psalms 23:4Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.

Psalms 25:14Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 50:10

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 50:9Bokin'i Isaia 50Bokin'i Isaia 50:11 →