Bokin'i Isaia 50:6
Ny lamosiko natolotro ho amin’ ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin’ izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin’ ny henatra sy ny rora.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.
Cross References
Nehemiah 13:25Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin’ Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin’ ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.
Psalms 69:8Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.
Isaiah 53:5Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
Lamentations 3:30Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
Matthew 5:39Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
Matthew 27:26Ary dia nandefa an’ i Barabasy ho an’ ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin’ ny hazo fijaliana.