Bokin'i Isaia 51:14
Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 30:20Ary homen’ ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
Isaiah 49:10Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
Isaiah 52:2Ahintsano ny vovoka hiala amin’ ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
Jeremiah 38:6Ary naka an’ i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin’ ny lavaka famorian-dranon’ i Malkia, zanak’ andriana, izay tao amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin’ ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin’ ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin’ ny fotaka Jeremia.
Zechariah 9:11Ny aminao koa, noho ny ran’ ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.