The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 51 › Bokin'i Isaia 51:2

Bokin'i Isaia 51:2

Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Look unto Abraham your father, and unto Sarah that bare you: for I called him alone, and blessed him, and increased him.

In Context

1Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an’ i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.

3Fa Jehovah mampionona an’ i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an’ i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’ i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin’ ny fisaorana sy ny feo fiderana.

Read all of Bokin'i Isaia 51

Cross References

Genesis 12:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Mandehana miala amin’ ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ ny rainao hankany amin’ ny tany izay hasehoko anao;

Genesis 13:14Ary Jehovah niteny tamin’ i Abrama taorian’ ny nisarahan’ i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin’ ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;

Genesis 15:4Ary, indro, ny tenin’ i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.

Genesis 22:17dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ ny fahavalony;

Genesis 24:35Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman’ osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.

Joshua 24:3Dia naka an’ i Abrahama razanareo avy tany an-dafin’ ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an’ Isaka ho zanany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 51:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 51:1Bokin'i Isaia 51Bokin'i Isaia 51:3 →