Bokin'i Isaia 52:2
Ahintsano ny vovoka hiala amin’ ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 29:4Dia haetry ianao ka hiteny ao amin’ ny tany, ary ao amin’ ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin’ ny tany tahaka ny an’ ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin’ ny vovoka no ikiakiahan’ ny teninao.
Isaiah 51:14Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
Jeremiah 51:45Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy ho azon’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
Zechariah 2:6Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an’ i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho.
Luke 21:24Dia ho ringana amin’ ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ ny jentilisa.