Bokin'i Isaia 52:3
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For thus saith the LORD, Ye have sold yourselves for nought; and ye shall be redeemed without money.
In Context
Cross References
Leviticus 25:54Ary raha tsy voavotra amin’ izay izy, dia ho afaka amin’ ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.
Psalms 44:13Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ ny vidiny.
Isaiah 50:1Izao no lazain’ i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin’ izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
Romans 7:14Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ ny ota.