Bokin'i Isaia 53:10
Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 7:15ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Psalms 21:4Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
Psalms 22:31Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin’ ny taranaka ho avy.
Psalms 69:26Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.
Psalms 72:17Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
Psalms 89:29Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.