Bokin'i Isaia 53:6
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 22:6Dia nalain’ i Abrahama ny hazo hataina amin’ ny fanatitra dorana ka natataony an’ Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.
Psalms 69:4Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an’ Andriamanitro aho.
Isaiah 53:10Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Isaiah 56:11Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin’ ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin’ ny filàny harena avokoa izy rehetra.
Jeremiah 50:6Ondry very ny oloko, fa ny mpiandry azy nampirenireny azy, eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; Nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny. Ka hadinony ny tany fandriany.
Matthew 18:12Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?