Bokin'i Isaia 54:17
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ ny mpanompon’ i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 1:11Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza izy e!
Job 22:5Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
Psalms 2:1Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
Psalms 61:5Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho,
Psalms 71:19Ary mihatra amin’ izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
Isaiah 41:11Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.