Bokin'i Isaia 55:2
Nahoana ianareo no mandany vola amin’ izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’ izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ ny matavy ny fanahinareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 11:13Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,
Psalms 34:11Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’ i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Psalms 63:5Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako.
Proverbs 7:23Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin’ ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
Proverbs 9:5Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
Isaiah 1:19Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany;