Bokin'i Isaia 56:11
Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin’ ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin’ ny filàny harena avokoa izy rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 22:7Dia nandeha ny loholon’ ny Moabita sy ny loholon’ ny Midianita nitondra ny saran’ ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin’ i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin’ i Balaka.
1 Samuel 2:12Ary ny zanakalahin’ i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an’ i Jehovah.
Ecclesiastes 5:10Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon’ ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
Isaiah 57:17Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin’ ny lalana tian’ ny fony ihany.
Jeremiah 22:17Nefa tsy misy alehan’ ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
Ezekiel 34:2Ry zanak’ olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny mpiandry ondrin’ ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ ny mpiandry?