Bokin'i Isaia 56:5
Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin’ ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an’ ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 26:1Amin’ izany andro izany dia hohiraina eto amin’ ny tanin’ ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren’ i Jehovah ho manda sy fiarovana.
Isaiah 55:13Ny hazo kypreso haniry ho solon’ ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ ny sampivato; ary ho anarana ho an’ i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.
Isaiah 62:12Ary Ireny hotononina hoe Firenena masìna, dia olona navotan’ i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
John 1:12Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
1 Timothy 3:15fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon’ Andriamanitra, dia ny fiangonan’ Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ ny fahamarinana.
1 John 3:1Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy.