Bokin'i Isaia 57:10
Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 47:13Sasatra noho ny hamaroan’ ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.
Jeremiah 2:36Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin’ i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin’ i Asyria.
Jeremiah 5:3Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
Jeremiah 18:12Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
Ezekiel 24:12Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin’ ny afo ny harafesiny.
Romans 7:9Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.