Bokin'i Isaia 57:12
Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I will declare thy righteousness, and thy works; for they shall not profit thee.
In Context
Cross References
Isaiah 1:11Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran’ ny zanak’ omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran’ ny vantotr’ ombilahy sy ny an’ ny zanak’ ondry ary ny an’ ny osilahy.
Isaiah 44:9Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
Isaiah 59:6Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
Isaiah 66:3Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon’ alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan’ ireny ny halehany, Sy ny nifalian’ ny fanahiny tamin’ ny fahavetavetany,
Jeremiah 10:11(Izao no holazainareo amin’ ireny; Ny amin’ ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin’ ny tany na ho atỳ ambanin’ ny lanitra ireny)
Jeremiah 10:15Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.