Bokin'i Isaia 57:14
Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin’ ny alehan’ ny oloko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 35:8Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin’ ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.
Isaiah 49:11Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko.
Jeremiah 18:15Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an’ ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin’ ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin’ ny sakeli-dalana madinika, dia amin’ ny lalana tsy voavoatra,
Romans 14:13Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ ny rahalahy.
1 Corinthians 8:9Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ ny malemy.
1 Corinthians 10:32Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’ Andriamanitra,