Bokin'i Isaia 57:2
Miditra amin’ ny fiadanana izy, mandry amin’ ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin’ ny hitsiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He shall enter into peace: they shall rest in their beds, each one walking in his uprightness.
In Context
Cross References
2 Chronicles 16:14Dia nalevina tao amin’ ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’ i Davida, ka nampandrina teo amin’ ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
Ecclesiastes 12:7ka ny vovoka dia hiverina amin’ ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’ Andriamanitra, Izay nanome iny.
Isaiah 26:7Voaravona ny lalan’ ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan’ ny marina.
Ezekiel 32:25Teo amin’ ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin’ ny tanin’ ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin’ izay midìna any an-davaka izy; Ao amin’ ny voa-trabaka no nametrahany azy.
Luke 1:6Ary samy marina teo anatrehan’ Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ ny Tompo.
Luke 7:50Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.