The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 57 › Bokin'i Isaia 57:6

Bokin'i Isaia 57:6

Ao amin’ ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin’ izany va Aho?

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Among the smooth stones of the stream is thy portion; they, they are thy lot: even to them hast thou poured a drink offering, thou hast offered a meat offering. Should I receive comfort in these?

In Context

5Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin’ ny hazo terebinta eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ ny tsefatsefaky ny harambato.

7Teo an-tampon’ ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.

Read all of Bokin'i Isaia 57

Cross References

Deuteronomy 32:37Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,

Isaiah 66:3Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon’ alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan’ ireny ny halehany, Sy ny nifalian’ ny fanahiny tamin’ ny fahavetavetany,

Jeremiah 5:9Tsy hovaliako va izy amin’ izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?

Jeremiah 7:18Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an’ ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.

Jeremiah 19:13Ary ny tranon’ i Jerosalema sy ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an’ i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an’ izay andriamani-kafa.

Jeremiah 44:17Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy teny amin’ ny lalamben’ i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 57:6

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 57:5Bokin'i Isaia 57Bokin'i Isaia 57:7 →