Bokin'i Isaia 57:7
Teo an-tampon’ ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Jeremiah 3:2Andrandrao amin’ ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian’ olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
Ezekiel 6:13Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin’ ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra, eny amin’ ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin’ ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin’ izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin’ ny sampiny rehetra;
Ezekiel 16:25Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin’ ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
Ezekiel 23:17Ary tonga tany aminy ho ao amin’ ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin’ i Babylona ka nandoto azy tamin’ ny fijangajangany; ary nony efa voaloton’ ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.