Bokin'i Isaia 58:12
Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Nehemiah 2:17Ary hoy izaho taminy: Hianareo mahita ny fahoriantsika, fa rava Jerosalema ary nodoran’ ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan’ i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika.
Nehemiah 6:1Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin’ ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin’ izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),
Isaiah 49:8Izao no lazain’ i Jehovah: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
Isaiah 52:9Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’ i Jerosalema.
Jeremiah 31:38Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’ i Jehovah hatramin’ ny tilikambon’ i Hananela ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
Ezekiel 36:8Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an’ ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian’ ireny.