Bokin'i Isaia 58:7
Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ ny namanao ianao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 19:2Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon’ ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin’ izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina.
Judges 9:2Mba mitenena ianareo eo anatrehan’ ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan’ izy fito-polo lahy zanak’ i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan’ ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
2 Chronicles 28:15ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin’ ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin’ ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
Job 22:7Tsy nanome rano hosotroin’ ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ ny noana.
Job 31:19Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
Proverbs 11:17Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ ny tenany; Fa ny lozabe dia todin’ ny halozany.