Bokin'i Isaia 58:9
Ary amin’ izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan’ ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 27:18Ary Jakoba nankany amin’ ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?
1 Samuel 3:4dia niantso an’ i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.
Psalms 12:2Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona.
Psalms 37:4Ary miravoravoa amin’ i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ ny fonao.
Psalms 66:18Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;
Psalms 118:5Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.