Bokin'i Isaia 59:11
Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 30:28Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian’ ny olona.
Psalms 38:8Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
Psalms 119:150Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
Isaiah 38:14Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin’ ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
Isaiah 59:9Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin’ ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
Jeremiah 9:1Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran’ ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.