Bokin'i Isaia 59:12
Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 9:6ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra;
Nehemiah 9:33Hianao no marina tamin’ izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;
Isaiah 3:9Ny fisehon’ ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an’ i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan’ ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin’ ny tenany izy.
Jeremiah 3:2Andrandrao amin’ ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian’ olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
Jeremiah 5:25Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.
Jeremiah 14:7Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; Fa be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.