The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 59 › Bokin'i Isaia 59:20

Bokin'i Isaia 59:20

Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin’ ny Jakoba izay miala amin’ ny fahadisoana, hoy Jehovah.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the Redeemer shall come to Zion, and unto them that turn from transgression in Jacob, saith the LORD.

In Context

19Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin’ ny Fanahin’ i Jehovah.

21Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ ny vavanao, na amin’ ny vavan’ ny taranakao, na amin’ ny vavan’ ny taranaky ny taranakao, hatramin’ izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.

Read all of Bokin'i Isaia 59

Cross References

Job 19:25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.

Isaiah 10:22Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;

Isaiah 62:11Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin’ ny faran’ izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin’ i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.

Daniel 9:13Araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy no nahatongavan’ izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin’ ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao.

Obadiah 1:17Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masìna izy; Ary ny taranak’ i Jakoba hahalasa ny fananany.

Acts 3:19Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo,

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 59:20

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 59:19Bokin'i Isaia 59Bokin'i Isaia 59:21 →